Judges 8:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokota i Gideona ka niteny hoe: Indreo i Zebaha sy i Zalmona izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo am-pelatananao ankehitriny va ny tanan’i Zebaha sy i Zalmona no homenay mofo ny olonao efa reraka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay dia nankao amin’ny mponina ao Sokôta i Jedeôna, ka nanao hoe: «Indreo eo i Zebea sy i Salmanà izay nanesoanareo ahy hoe: Efa voahazon’ny tananao sahady ve ny tanan’i Zebea sy i Salmanà, no hanome mofo izay miaramilanao sasatra izahay?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»
Malagasy Bible 1865
Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokota i Gideona ka niteny hoe: Indreo i Zebaha sy i Zalmona izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa eo am-pelatananao ankehitriny va ny tanan’i Zebaha sy i Zalmona no homenay mofo ny olonao efa reraka?
malagasy