Judges 8:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy i Zalmona: Lehilahy toy inona ange ireo izay novonoinareo tany Tabara? Hoy izy roa lahy: Tahaka anao izao izy. Izy rehetra dia samy miendrika zanaka mpanjaka avokoa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy tamin’i Zebea sy i Salmanà: «Lehilahy toy inona moa, izany novonoinareo tany Tabôra izany?» Dia hoy ireo: «Tahaka anao izao izy; samy mitarehin-janak’andriana avokoa izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’i Zebaha sy i Zalmona: Lehilahy toy inona ange ireo izay novonoinareo tany Tabara? Hoy izy roa lahy: Tahaka anao izao izy. Izy rehetra dia samy miendrika zanaka mpanjaka avokoa.
malagasy
Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.