Judges 8:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy tamin’i Jetera zanany lahimatoa: «Mitsangàna, ka vonoy ireo.» Fa tsy nanatsoaka ny sabany ity zatovo fa natahotra izy satria mbola tanora.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’i Jetera lahimatoany: Mitsangàna, vonoy izy roa lahy! Fa tsy nanatsoaka ny sabany ilay zatovo fa natahotra: Mbola tanora fanahy loatra izy.
malagasy
Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.