Judges 8:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mbola niteny taminy koa i Gideona hoe: Hangataka zavatra iray aminareo aho: Aoka samy hanome ahy kavina avy amin’ny babony avy ianareo. Nanana kavina volamena mantsy ireny satria Ismaelita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misy zavatra iray angatahiko aminareo: Samia ianareo manome ahy ny peratra azonareo tamin’ny babony avy». Fa nanam-peratra volamena ny fahavalo, satria Ismaelita izy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Saingy hoy indray i Gidehôna taminy: –Izaho anefa te hangataka zavatra aminareo: aoka ianareo samy hanome ahy haba iray, nalaina tamin’ny babonareo avy! Ny Midianita manko dia nitondra haba volamena toy ny lehilahy rehetra monina any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mbola niteny taminy koa i Gideona hoe: Hangataka zavatra iray aminareo aho: Aoka samy hanome ahy kavina avy amin’ny babony avy ianareo. Nanana kavina volamena mantsy ireny satria Ismaelita.
malagasy