Judges 8:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lanjan’ny kavina volamena nangatahiny dia volamena fitonjato sy arivo sekela, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina voavola ary ny lamba volomparasy izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midianita, ary koa ny ravaka izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy fiton-jato amby arivo sikla ny lanjan’ny pera-bolamena nangatahin’i Jedeôna, afa-tsy ny sarim-bolan-tsinana aman-kavina sy ny fitafiana jaky nentin’ny mpanjakan’i Madiàna, mbamin’ny fehivozona teny amin’ny vozon-dramevany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny lanjan’ny volamena nangatahin’i Gidehôna dia nahatratra roapolo kilao. Nahazo izay firavaka sy kavina ary fitafiana jaky nentin’ireo mpanjaka midianita koa izy, ankoatra ireo rojo nandravaka ny vozon’ny ramevany.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lanjan’ny kavina volamena nangatahiny dia volamena fitonjato sy arivo sekela, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ny kavina voavola ary ny lamba volomparasy izay teny amin’ireo mpanjakan’ny Midianita, ary koa ny ravaka izay teny amin’ny vozon’ny ramevany.
malagasy