Judges 8:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanaovan’i Gideona efoda ireo ka nataony tao an-tanànany, tao Ofra; ary ny Israely rehetra dia nankany ka nijangajanga nanaraka izany efoda izany; tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny volamena dia nanamboaran’i Gidehôna efôda izay napetrany tao Hofrà tanànany. Ary notompoin’ny Israelita rehetra toy ny sampy izany efôda izany, ka tonga fandrika ho an’i Gidehôna sy ny ankohonany.
Malagasy Bible 1865
Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanaovan’i Gideona efoda ireo ka nataony tao an-tanànany, tao Ofra; ary ny Israely rehetra dia nankany ka nijangajanga nanaraka izany efoda izany; tonga fandrika tamin’i Gideona sy ny ankohonany izany.
malagasy