Judges 8:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny manamboninahitry ny Midianita, dia i Oreba sy i Zeba. Inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Rehefa nilaza izany teny izany i Gideona dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa teo an-tananareo no natolotr’i Iaveh ny andrian’i Madiàna, Oreba sy Zeba. Ka zinona no mety ho vitako raha oharina aminareo?» Nony efa niteny izany izy, dia nionona ny hatezeran’izy ireo taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra an’i Hôreba sy i Zeeba lehiben’ny Midianita. Koa inona izay vitako raha oharina amin’ny nataonareo? Dia nitony ny fahatezeran’ireo Efraîmita, rehefa nandre izany tenin’i Gidehôna izany izy.
Malagasy Bible 1865
Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo an-tananareo no nanoloran’Andriamanitra ny manamboninahitry ny Midianita, dia i Oreba sy i Zeba. Inona no azoko atao raha oharina amin’ny nataonareo? Rehefa nilaza izany teny izany i Gideona dia nitony ny fahatezeran’ireo taminy.
malagasy