Judges 8:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Miangavy anareo aho, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy fa reraka. Izaho izao dia manenjika an’i Zebaha sy i Zalmona, mpanjakan’ny Midianita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga tao an-tanàna Sokôta izy, dia hoy i Gidehôna tamin’ny mponina tao: –Mba omeo mofo ireto olona miaraka amiko ireto fa reraka; eo am-panenjehana an’i Zebaha sy i Tsalmonà mpanjaka midianita aho izao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy tamin’ny mponina tao Sokota: Miangavy anareo aho, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy fa reraka. Izaho izao dia manenjika an’i Zebaha sy i Zalmona, mpanjakan’ny Midianita.
malagasy
Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.