Judges 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha nankany Sekema tany amin’ny anadahin-dreniny i Abimeleka, zanak’i Jerobaala ka niresaka taminy sy tamin’ny fianakavian-dreniny rehetra hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niainga i Abimeleka zanak’i Jerobaala, ka nankany Sikema amin’ireo anadahin-dreniny, ary nilaza izao teny izao tamin’ireo sy tamin’ny fokon’ny rain-dreniny rehetra:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Abimelèka, zanakalahin’i Jerobahala na Gidehôna, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin’ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan’ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha nankany Sekema tany amin’ny anadahin-dreniny i Abimeleka, zanak’i Jerobaala ka niresaka taminy sy tamin’ny fianakavian-dreniny rehetra hoe:
malagasy
[Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe: