Judges 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’ny tsiloko ka handoro hatramin’ny hazo sederan’i Libano aza!› »
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona!
malagasy