Judges 9:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
kanjo nitsangan-kamely ny ankohonan’i dada kosa ianareo androany; ny zanany fitopolo lahy novonoinareo teo ambony vato iray ihany, ary i Abimeleka zanak’andevovaviny no natsanganareo ho mpanjakan’ny mponina ao Sikema, satria rahalahinareo io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin’ny mponin’i Sekema i Abimelèka zanakalahin’ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.
Malagasy Bible 1865
nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa ianareo kosa dia nikomy tamin’ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fitopolo lahy teo ambonin’ny vato iray, ary i Abimeleka, zanaky ny mpanompovaviny, no nampanjakainareo tamin’ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy;
malagasy