Judges 9:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha sitrakareo mba lazao kely ho ren’ny mponina rehetra ao Sikema izao: Inona no tsara ho anareo ny hanjakan’izy fitopolo lahy, samy zanak’i Jerobaala, aminareo va, sa ny hanjakan’ny lehilahy iray aminareo? Ary tsarovy fa taolana sy fonareo ihany aho».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin’ny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala, na ny hofehezin’ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan’ny fianakavianareo.
Malagasy Bible 1865
Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba mitenena ianareo amin’ireo lehibe rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: Ny hiarahan’izy fitopolo lahy zanak’i Jerobaala hanapaka anareo va, sa ny hanapahan’ny lehilahy iray anareo? Tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho!
malagasy