Judges 9:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy olona napetraky ny mponina tao Sikema, tany antampony tendrombohitra, nataony otrika hamely azy, ka izay rehetra nandalo azy ireo, tamin’ny lalana, nobaboiny avokoa, ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba hamelezana an’i Abimelèka, dia nisy mpisakan-dalana napetraky ny Sekemita teo an-tampon-kavoana akaikin’ny tanàna ka izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany, dia norobainy avokoa. Koa nampandrenesina izany i Abimelèka.
Malagasy Bible 1865
Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nametrahan’ny mponina tao Sekema vela-pandrika tany an-tampon-tendrombohitra izy dia nobaboin’ny vela-pandrika izay rehetra nandalo tamin’izany lalana izany. Nambara tamin’i Abimeleka izany.
malagasy
Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.