Judges 9:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Gaala zanak’i Obeda hoe: «Iza moa i Abimeleka, ary zovy moa i Sikema, no hotompointsika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy, ary tsy i Zebola va no lefiny? Ianareo no manompoa ny taranak’i Emôra, rain’i Sikema. Fa raha izahay, ahoana ange no hanompoanay an’i Abimeleka?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: –Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan’i Abimelèka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin’i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanàna? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin’ireo taranak’i Hamôra, ilay mpanorina an’i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an’i Abimelèka akory.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Gala, zanak’i Ebeda: Iza moa i Abimeleka, ary iza moa i Sekema, no hanompo an’i Abimeleka isika? Tsy zanak’i Jerobaala va izy io? Ary tsy i Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’i Hamora, rain’i Sekema ianareo; fa nahoana isika no hanompo an’i Abimeleka?
malagasy