Judges 9:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nivoaka i Gaala, zanak’i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna. Tamin’izay dia niainga avy ao am-panotrehana i Abimeleka sy ny vahoaka momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nivoaka ny tanàna i Gahala ary nijoro teo anoloan’ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin’ny toerana niafenany i Abimelèka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.
Malagasy Bible 1865
Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy.
malagasy
Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.