Judges 9:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Gaala irerỳ vahoaka, dia hoy izy tamin’i Zebola: «Indreny misy olona midina avy any an-tampon’ny tendrombohitra». Fa hoy kosa i Zebola taminy: «Ny aloky ny tendrombohitra no ataonao ho olona izany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.