Judges 9:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mbola niteny indray i Gala hoe: Indreo, misy olona midina avy ao afovoan’ny tany ary indreo, misy antokony hafa mandeha amin’ny lalana eo amin’ny hazo terebintan’ny mpimasy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny indray i Gaala nanao hoe: «Andian’olona no hitako midina avy eo am-pamatonan-tany, ary antokon’olona no tamy mihazo ny lalana eo amin’ny aokan’ny mpanandro».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanamafy kosa i Gahala hoe: –Jereonao fa tafika mihitsy ireny midina avy amin’ny havoana afovoany ireny, ary misy antokony iray hafa koa avy amin’ny lalana mihazo ny Terebintan’ny Mpanandro.
Malagasy Bible 1865
Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mbola niteny indray i Gala hoe: Indreo, misy olona midina avy ao afovoan’ny tany ary indreo, misy antokony hafa mandeha amin’ny lalana eo amin’ny hazo terebinta* n’ny mpimasy.
malagasy
Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.[Heb. mpanandro]