Judges 9:44 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny roa toko hafa kosa dia nirohotra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Abimeleka sy ny antokony izay niaraka taminy niroso teo aloha ka naka toerana teo alohan’ny vavahadin’ny tanàna; ary ny anankiroa amin’ireo antokony ireo kosa niroatra hamely ny tany an-tsaha rehetra, ka nandresy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.