Judges 9:48 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia niakatra tany an-tendrombohitra i Abimeleka mbamin’ny vahoaka momba azy, nataon’i Abimeleka an-tanana ny famaky, dia nikapa sampan-kazo anankiray izy, ka noingainy nataony an-tsoroka, ary hoy izy tamin’ny vahoaka momba azy: «Toy izay hitanareo nataoko, no mba ataovinareo faingana koa».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra tany amin’ny tendrombohitra Zalmona i Abimeleka sy ny vahoaka niaraka taminy. Nandray famaky teny an-tanany i Abimeleka dia nikapa sampan-kazo; nobatainy izany dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ny vahoaka izay niaraka taminy: Izay hitanareo ataoko dia mba manaova haingana toy izany koa ianareo.
malagasy