Judges 9:49 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrany teo amin’ilay efitrano fierena izany ary nodorany tamin’ny afo. Koa maty ny olona rehetra tao Migdala-Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo ny isany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nikapa sampan-kazo iray avy ny olona rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrak’izy ireo nanolotra ilay Fitoerana mimanda ny sampan-kazo, dia nodorany tamin’ny afo io mbamin’izay tao, ka maty tamin’izany avokoa ny olona rehetra tao amin’ny tilikambon’ny Sikema, sahabo ho roa arivo lahy na vavy
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an’i Abimelèka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan’ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin’izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.
Malagasy Bible 1865
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’i Abimeleka; napetrany teo amin’ilay efitrano fierena izany ary nodorany tamin’ny afo. Koa maty ny olona rehetra tao Migdala-Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo ny isany.
malagasy