Judges 9:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany an-tranon’ny rainy tany Ofra izy ka namono ireo rahalahiny fitopolo lahy, zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray. I Jotama, faralahin’i Jerobaala, no sisa velona satria niery izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga tao an-trano-drainy, tany Efrà izy, ary namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray ihany. Tsy nisy afa-nandositra afa-tsy i Joatama, ilay faralahin’i Jerobaala, irery, satria niery io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hôfrà i Abimelèka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jôtama, ilay kely indrindra tamin’ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany an-tranon’ny rainy tany Ofra izy ka namono ireo rahalahiny fitopolo lahy, zanak’i Jerobaala, teo ambonin’ny vato iray. I Jotama, faralahin’i Jerobaala, no sisa velona satria niery izy.
malagasy
Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.