Judges 9:51 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian’izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambony tafon’ny tilikambo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy tilikambo fiambenana mafy tao afovoan-tanàna, koa nandeha nialoka tao avokoa ny mponina rehetra na lahy na vavy mbamin’ireo lehiben’ny tanàna: nohidiany ny varavarana ary niakatra teny an-tampon-trano izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo.
malagasy
Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.