Judges 9:54 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nantsoiny faingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: «Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy». Dia notrabaran’ilay zatovo izy, ka maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nantsoin’i Abimelèka faingana ilay tovolahy mpitondra ny fiadiany ary nodidiany hoe: –Raiso ny sabatrao ka vonoy aho, fandrao holazain’ny olona hoe vehivavy no nahafaty ahy. Dia notrobaran’ilay tovolahy tamin’ny sabatra i Abimelèka ka maty.
Malagasy Bible 1865
Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nantsoin’i Abimeleka haingana ny zatovo mpitondra ny fiadiany ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao ka vonoy aho mba tsy hanaovan’ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo ka maty izy.
malagasy