Judges 9:57 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nampianjeran’Andriamanitra tamin’ny lohan’ny mponina tao Sikema, ny haratsiany rehetra. Izany no niharan’ny ozona nataon’i Joatama zanak’i Jerobaala tamin’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Novalian’Andriamanitra toy izany koa ny mponin’i Sekema ka natsingeriny teo an-dohany ny ratsy rehetra nataony, ary tanteraka taminy ireo ozona nambaran’i Jôtama, zanakalahin’i Jerobahala.
Malagasy Bible 1865
Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ratsy rehetra nataon’ny mponina tao Sekema dia natsingerin’Andriamanitra tamin’ireo lehibeny avokoa ka nihatra taminy ilay ozona nataon’i Jotama, zanak’i Jerobaala.
malagasy
Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.