Lamentations 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fahavalo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny zava-tsoany rehetra; fa hitany tafiditra ao amin’ny fitoerany masina ny Jentilisa izay noraranao tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandroso ny tanany ny mpampahory naka ny zava-tsoany rehetra; fa hitany ny firenena, niditra tao amin’ny fitoerany masina, dia ireo firenena izay namoahanao didy nataonao hoe: Tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao izy!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo ô tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
Malagasy Bible 1865
Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fahavalo dia nanatsotra ny tanany tamin’ny zava-tsoany rehetra; fa hitany tafiditra ao amin’ny fitoerany masina ny Jentilisa izay noraranao tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.
malagasy
Ny fahavalo naninjitra ny tànany naka ny zava-tsoany rehetra; Fa ny jentilisa, izay noraranao tsy hiditra amin'ny fiangonanao, dia hitany tafiditra ao amin'ny fitoerany masina.