Lamentations 1:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misento ny olony rehetra mitady mofo; eny, atakalony hanina ny zava-tsoany mba hampody ny ainy; jereo, TOMPO ô, ka diniho fa vingavingaina aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misento avokoa ny vahoaka; mitady hanina izy; izay firavaka ananany, afoiny atakalo hanina, izay mampody aina ao aminy. «Jereo Iaveh ô, zahao ity fietrena nilatsahako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sentom-pahakiviana no ataon’ny vahoaka rehetra eo am-pitadiavana izay hohaniny. Efa nanome izay zava-tsarobidy indrindra izy mba hatakalo hanina hampodîna hery. Hoy izy hoe: «TOMPO ô, jereo ka diniho fa efa voavingavinga loatra aho.»
Malagasy Bible 1865
Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misento ny olony rehetra mitady mofo; eny, atakalony hanina ny zava-tsoany mba hampody ny ainy; jereo, TOMPO ô, ka diniho fa vingavingaina aho.
malagasy
Misento ny olony rehetra, mitady hanina; Eny, atakalony hanina ny zava-tsoany hamelombelona ny ainy; Jehovah ô, jereo ka diniho, fa vingavingaina aho.