Lamentations 1:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba tsy ho aminareo rehetra izay mandalo amin’ny lalana anie izao! Diniho sy jereo raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’NY TOMPO ahy tamin’ny andro nirehetan’ny fahatezerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo rehetra izay mandeha amin’ny lalana, jereo ka mahità, raha mba misy fahoriana toy izao manjò ahy izao, dia izaho izay nokapohin’i Iaveh, tamin’ny andron’ny fahatezerany mirehitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian’ny TOMPO ahy tamin’ny andro firehetan’ny fahatezerany.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy mampaninona anareo va, ry mpandalo rehetra? Jereo sy izahao raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako, izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian'i Jehovah ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba tsy ho aminareo rehetra izay mandalo amin’ny lalana anie izao! Diniho sy jereo raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako izay namelezany ahy, dia ilay nampahorian’NY TOMPO ahy tamin’ny andro nirehetan’ny fahatezerany.
malagasy