Lamentations 1:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy tany amin’ny avo no nandatsahany afo ho amin’ny taolako, Izy no mandefa izany; namelatra harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; nampahalao ahy Izy sady nampahareraka ahy mandritra ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taolako dia nandatsahany avy any ambony, afo mandoro azy; novelariny fandrika eo anoloan’ny tongotro, ka nampihemotra ahy; nahatrany tamiko ny fahoriana ka reraka mandritra ny andro izao aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefa afo avy tany an-danitra Izy mba haninteraka ny taolako. Namela-pandrika haningotra ny tongotro Izy ka nampitsinkasina ahy. Nataony lao mihitsy aho, ka mararirary isan’andro.
Malagasy Bible 1865
Avy tany amin'ny avo no nandatsahany afo ho amin'ny taolako handoroany azy; Namela-pandrika harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; Nampahalao sy nampahareraka ahy mandritra ny andro Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy tany amin’ny avo no nandatsahany afo ho amin’ny taolako, Izy no mandefa izany; namelatra harato haningorana ny tongotro Izy ka nampihemotra ahy; nampahalao ahy Izy sady nampahareraka ahy mandritra ny andro.
malagasy