Lamentations 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ziogan’ny fiodinako dia nofehezin’ny tanany; mifaningotsingotra ireny ka tonga teo an-katoko; noketrahiny ny heriko; eny, natolotry ny Tompo ho eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny jiogan’ny fahotako dia voafehy, tao an-tanany; voatambatra ho fehezany ireny, ka mitambesatra amin’ny vozoko, nataony mihozohozo ny heriko. Natolotry ny Tompo eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Arahiny maso ny fahotako izay toy ny vona eo an-tanany; mitambesatra eo am-bozoko ny ziogan’ny Tompo, ka nampiketraka ny heriko; natolony eo an-tanam-pahavalo aho ka tsy afa-manohitra ireny.
Malagasy Bible 1865
Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ziogan’ny fiodinako dia nofehezin’ny tanany; mifaningotsingotra ireny ka tonga teo an-katoko; noketrahiny ny heriko; eny, natolotry ny Tompo ho eo an-tanan’izay tsy leoko aho.
malagasy
Ny ziogan'ny fahotako nofehezin'ny tànany; Voaolana ireny ka tonga eo an-katoko; noketrahiny ny heriko; Natolotry ny Tompo ho eo an-tànan izay tsy leoko aho.