Lamentations 1:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’ny Tompo tsinontsinona ny mahery rehetra izay niaraka tamiko; nanendry fotoam-piravoravoana hamelezana ahy Izy, hamotehana ny zatovoko; nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijiny teo amin’ny famiazam-boaloboka ny Tompo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy Izy, nanorotoro ny zatovo lahiko; nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nailikiliky ny Tompo ireo maheriko rehetra. Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy mba afaka hanamontsana ireo zatovoko. Nohosihosen’ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho, dia izaho Tsiôna, ilay tsara tarehin’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Nataon'ny Tompo tsinontsinona ny maheriko rehetra; Nanendry fotoana hamelezana ahy Izy, handringanana ny zatovoko; Ny Tompo nanosihosy an'i Joda zanakavavy virijina toy ny eo amin'ny famiazam-boaloboka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’ny Tompo tsinontsinona ny mahery rehetra izay niaraka tamiko; nanendry fotoam-piravoravoana hamelezana ahy Izy, hamotehana ny zatovoko; nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijiny teo amin’ny famiazam-boaloboka ny Tompo.
malagasy