Lamentations 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany zavatra izany no mampitomany ahy; ny masoko; eny, mandrotsa-dranomaso ny masoko satria lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; ringana ny zanako satria mahery ny fahavalo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.
Malagasy Bible 1865
Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Izany zavatra izany no mampitomany ahy; e! ny masoko, ny masoko mamarin-dranomaso, fa lavitra ahy ny mpampionona izay tokony hamelombelona ny fanahiko; Ringana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.