Lamentations 1:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jereo, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny ato anatiko; miontana ato anatiko ny foko satria naditra loatra aho; eny ivelany dia ny sabatra no mandripaka ny zanako, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, jereo ity fahoriako! Mangotika ny atiko; mikorontana ny foko ato anatiko, fa niodina dia niodina tokoa aho. Eny ivelany, matin’ny sabatra ny zanako, ao an-trano, fahafatesana koa!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.
Malagasy Bible 1865
Izahao, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny foko; Miontana ato anatiko ny foko, fa naditra dia naditra aho; Eny ivelany dia ny sabatra no mahafoana anaka, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Jereo, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho, mandevilevy ny ato anatiko; miontana ato anatiko ny foko satria naditra loatra aho; eny ivelany dia ny sabatra no mandripaka ny zanako, ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana.
malagasy