Lamentations 1:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; ny fahavaloko rehetra dia nandre ny fahavoazako ka faly satria Ianao no nahavita izany; hahatonga ny andro izay nolazainao Ianao. Mba ho tahaka ahy koa anie ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny olona ny fitolokoko, nefa tsy misy mampionona ahy izy. Raha nandre ny manjò ahy ny fahavaloko rehetra, dia mifaly izy, satria niasa Ianao. Hampiavy ny andro voalazanao Ianao, ka ho tonga toa ahy koa ireo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henon’ny firenena manodidina fa misento aho; nefa tsy misy mampionona ahy. Henon’ny fahavaloko rehetra ny lozako; ka nahafaly azy ny nampiharinao tamiko. Ataovy tonga ilay andro nambaranao; dia aoka hihatra aminy koa izay nanjo ahy!
Malagasy Bible 1865
Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; ny fahavaloko rehetra dia nandre ny fahavoazako ka faly satria Ianao no nahavita izany; hahatonga ny andro izay nolazainao Ianao. Mba ho tahaka ahy koa anie ireo.
malagasy
Reny fa misento aho; tsy misy mampionona ahy; Ny fahavaloko rehetra nandre ny fahoriako, ka faly izy, satria Hianao no nanao izany; Hahatonga izay andro nantsoinao Hianao, ka dia ho tonga tahaka ahy koa ireo.Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.