Lamentations 1:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; fa betsaka ny fisentoako ka reraka ny foko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho mby eo anatrehanao avokoa anie ny faharatsian’ireo, mba hitondranao azy, toy ny nataonao tamiko noho ny fahadisoako rehetra! Fa be ny fisentoako, ka marary ny foko!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tonga eo anatrehanao anie ny faharatsiany rehetra ka valio izy tahaka ny namalianao ahy tamin’ny fahadisoako rehetra. Satria maro loatra ny sentoko ka mankararirary ny foko izany.
Malagasy Bible 1865
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; fa betsaka ny fisentoako ka reraka ny foko.
malagasy
Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra, ary mba ataovy aminy kosa tahaka izay nataonao tamiko noho ny fahotako rehetra; Fa imbetsaka ny fisentoako, ka reraka ny foko.