Lamentations 1:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lasan-ko babo ny Joda, ory sady vesaran’ny fanompoana; mipetraka any amin’ny Jentilisa izy ary tsy mahita fitsaharana; izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo anivon’ny fahoriam-be.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jodà dia lasan-ko babo, fadiranovana, voaheloka hiasa mafy; mitoetra any amin’ny firenena, tsy mahita fitsaharana; tratr’ireo mpanenjika azy, teo an-kadilànana tery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon’i Joda. Mitoetra any amin’ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.
Malagasy Bible 1865
Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lasan-ko babo ny Joda, ory sady vesaran’ny fanompoana; mipetraka any amin’ny Jentilisa* izy ary tsy mahita fitsaharana; izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo anivon’ny fahoriam-be.
malagasy
Lasan-ko babo ny Joda noho ny fahoriana sy ny haben'ny fanompoana; Mipetraka ao amin'ny jentilisa izy, nefa tsy mahita fitsaharana; Izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy teo an-ketena.[Na: Lasa nivahiny]