Lamentations 1:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo lalana mankany Ziona dia misaona satria tsy misy tonga amin’ny fotoam-piravoravoana; rava ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; ory ny virijininy ary i Ziona dia azon’ny fahoriana mangidy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misaona ny lalana mankany Tsiôna satria tsy misy miakatra amin’ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon’ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin’i Tsiôna izany!
Malagasy Bible 1865
Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo lalana mankany Ziona* dia misaona satria tsy misy tonga amin’ny fotoam-piravoravoana; rava ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; ory ny virijininy ary i Ziona dia azon’ny fahoriana mangidy.
malagasy
Ireo lalana mankany Ziona dia mitomany, satria tsy misy miakatra ho amin'ny fotoam-pivavahana; Lao ny vavahadiny rehetra, misento ny mpisorony; Ory ny virijinany, ary Ziona dia efa azon'ny fahoriana mangidy.[Na: Rava]