Lamentations 1:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpanohitra azy no nanjary mpitondra, ny fahavalony no miadana satria NY TOMPO efa nampahory azy noho ny hamaroan’ny fahotany; ny zanany madinika aza dia lasan-ko babo eo anoloan’ny rafiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpampahory azy mahery, ny fahavalony miadana; fa izy nampahorin’i Iaveh, noho ny hamaroan’ny fahadisoany. Ny zanany madinika lasan-ko babo, eo anoloan’ny mpampahory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fahavalony no lasa ambony ary ny mpiady aminy no miadana; satria ny TOMPO no mampahory an’i Tsiôna noho ireo fahadisoany maro. Atosi-pahavalo ireo zanany madinika no lasa ho any an-tsesitany.
Malagasy Bible 1865
Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpanohitra azy no nanjary mpitondra, ny fahavalony no miadana satria NY TOMPO efa nampahory azy noho ny hamaroan’ny fahotany; ny zanany madinika aza dia lasan-ko babo eo anoloan’ny rafiny.
malagasy
Ny rafiny no mpanapaka, ny fahavalony no miadana, Satria Jehovah no efa nampahory azy noho ny hamaroan'ny fahotany; Ny zanany madinika dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony,[Heb. loha]