Lamentations 1:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny voninahiny manontolo; ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan’ny mpanenjika azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afaka amin’ny zanaka vavin’i Siôna ny voninahitra rehetra; Ny mpanapaka azy dia hoatra ny serfa tsy mahita vilona ka mandeha tsy manan-kery, eo anoloan’ny manenjika azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miala avy ao Tsiôna izay rehetra nireharehany; ary ny mpitondrany dia toy ny diera tsy mahita ahitra hiraofana, ka tsy manan-kery no mandositra eo anoloan’ny mpihaza azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niala tamin’i Ziona zanakavavy ny voninahiny manontolo; ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan’ny mpanenjika azy izy.
malagasy
Ary ny voninahitr'i Ziona zanakavavy rehetra dia efa tsy ananany intsony; Ny mpanapaka azy dia toy ny diera tsy mahita ahitra, Ary mandeha reraka eo anoloan'ny mpanenjika azy izy.