Lamentations 1:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatramin’ny ela; fa nony lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony ka tsy nisy namonjy azy dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany amam-pirenireneny ny zava-tsoa sarobidy rehetra izay nananany, hatry ny andro fahagola. Ankehitriny, rehefa lavon’ny tanan’ny mpampahory azy ny olony, sady tsy misy mamonjy azy, dia mahita azy ny fahavalony, ka mihomehy ny fifadiany asa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany androm-pahoriana irenireneny izany no ahatsiarovan’i Jerosalema ireo zava-tsarobidy rehetra izay nananany hatry ny ela. Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa dia tsy misy mamonjy; ka rehefa mahita an’i Jerosalema ny fahavalony, dia mihomehy ny amin’ny faharavàny.
Malagasy Bible 1865
Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsaroan’i Jerosalema amin’ny andron’ny fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatramin’ny ela; fa nony lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony ka tsy nisy namonjy azy dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.
malagasy
Tsaroan'i Jerosalema amin'ny andro fahoriany sy fanjenjenany ny zava-tsoa rehetra izay nananany hatry ny ela; Fa nony naripaky ny fahavalo ny olony, ka tsy nisy namonjy azy, dia nahita azy ny fahavalo ka nihomehy ny faharavany.[Heb. fitsaharany]