Lamentations 1:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tena nanota tokoa i Jerosalema ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy satria nahita ny fitanjahany ireny; eny, izy tenany aza dia misento ka mihemotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitombo ny fahotany i Jerosalema, ka tonga zava-maloto; mamingavinga azy avokoa izay nanaja azy, fa nahita ny fitanjahany; mandefa feo mitoloko koa izy, sady miamboho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.
Malagasy Bible 1865
Efa nanota dia nanota Jerosalema. ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy, satria efa nahita ny fitanjahany ireny; Eny, na ny tenany aza dia miferinaina sady miamboho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tena nanota tokoa i Jerosalema ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana; izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy satria nahita ny fitanjahany ireny; eny, izy tenany aza dia misento ka mihemotra.
malagasy