Lamentations 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indrisy! Amin’ny fahatezerany no anaronan’ny Tompo rahona an’i Ziona zanakavavy, nazerany avy tany an-danitra ho amin’ny tany ny reharehan’ny Israely, ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ny andron’ny fahatezerany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana re no nanaronan’ny Tompo rahona, noho ny fahatezerany ny zanaka vavin’i Siôna? Navariny aman-tany avy any an-danitra, ny hatsarana kanton’i Israely, tsy tsaroany intsony ity fitoeran-tongony, tamin’ny andro fahatezerany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indrisy! Tezitra ny Tompo ka nanaron-draho-mainty an’i Tsiôna. Avy any an-danitra no nanjerany amin’ny tany izay natao ho voninahitr’i Israely. Tamin’ny androm-pahatezerany dia hadinony fa i Tsiôna no fandiavan-tongony.
Malagasy Bible 1865
Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indrisy! Amin’ny fahatezerany no anaronan’ny Tompo rahona an’i Ziona* zanakavavy, nazerany avy tany an-danitra ho amin’ny tany ny reharehan’ny Israely, ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin’ny andron’ny fahatezerany!
malagasy
[Fitomaniana noho ny nanjo an'i Ziona sy ny Joda] Indrisy! Ziona zanakavavy dia saronan'ny Tompo rahona amin'ny fahatezerany; Nazerany avy tany an-danitra ho amin'ny tany ny reharehan'ny Isiraely, Ary tsy tsaroany ny fitoeran-tongony tamin'ny andro fahatezerany!