Lamentations 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Bongo ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny ao anatiko; nararaka tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Levona azon’ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin’ny tany ny atiko, noho ny ratran’ny zanaka vavin’ny vahoakako, raha ilay toran’ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin’ny kianjan’ny tanàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.
Malagasy Bible 1865
Pahina ny masoko azon'ny ranomaso, mandevilevy ny foko; Naidina tamin'ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny an-kalalahana ao an-tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Bongo ny masoko azon’ny ranomaso, mandevilevy ny ao anatiko; nararaka tamin’ny tany ny atiko noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy, sy noho ny ankizy madinika sy ny zaza minono izay ana eny amin’ny toerana malalaka ao an-tanàna.
malagasy