Lamentations 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Inona no hampitoviako aminao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao, mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijiny? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanaka vavin’i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanaka vavin’i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy haiko intsony izay holazaiko anao, ry Jerosalema mamiko; fa tsy misy azo anoharana izay manjo anao! Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Tsiôna mahonena? Midadasika toy ny ranomasina ny ratranao; ka tsy misy mahasitrana anao amin’izany.
Malagasy Bible 1865
Inona no hataoko vavolombelona ho anao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijina? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Inona no hampitoviako aminao? Inona no hanoharako anao, ry Jerosalema zanakavavy? Inona no hampitahaiko aminao, mba hampiononako anao, ry Ziona zanakavavy virijiny? Fa lehibe toy ny ranomasina ny faharatranao, iza no mahasitrana anao?
malagasy