Lamentations 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana mandainga sy mamitaka ho anao sady tsy nampiseho ny helokao mba hiarovany anao tsy ho babo; eny, nahita faminaniana lainga sy fampivilian-tsaina ho anao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.
Malagasy Bible 1865
Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny mpaminaninao dia nilaza fahitana mandainga sy mamitaka ho anao sady tsy nampiseho ny helokao mba hiarovany anao tsy ho babo; eny, nahita faminaniana lainga sy fampivilian-tsaina ho anao izy.
malagasy
Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.[Na: fandroahana]