Lamentations 2:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miteha-tanana noho ny aminao izay rehetra mandalo eny an-dalana; misiaka maneso sady mihifikifi-doha ny amin’i Jerosalema zanakavavy izy ka miteny hoe: Ity va ilay tanàna izay nolazainy hoe fanaperan’ny hatsaran-tarehy, fifalian’ny tany rehetra?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miteha-tanana avokoa ny amin’ny momba anao, izay rehetra mandeha amin’ny lalana; misitrîsitra sy mihifikifi-doha amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema. «Io va ilay tanàna natao hoe: fahatsaran-tarehy lavorary fifalian’ny tany rehetra?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitehaka noho ny faharavanao izay rehetra mandalo amin’ity lalana ity, velon-tsioka sy mihifikifi-doha izy maneso anao, ry Jerosalema mamiko: «Ity tokoa ve ilay tanàna natao hoe ‹fanaperana amin’ny hatsaran-tarehy› sy ‹fifalian’ny tany tontolo›?»
Malagasy Bible 1865
Miteha-tanana anao izay rehetra mandalo eny an-dalana; Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'i Jerosalema zanakavavy izy ka manao hoe: Ity va ilay tanàna nataony hoe Tena fahatsaran-tarehy Fifalian'ny tany rehetra?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miteha-tanana noho ny aminao izay rehetra mandalo eny an-dalana; misiaka maneso sady mihifikifi-doha ny amin’i Jerosalema zanakavavy izy ka miteny hoe: Ity va ilay tanàna izay nolazainy hoe fanaperan’ny hatsaran-tarehy, fifalian’ny tany rehetra?
malagasy