Lamentations 2:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitanatana vava aminao ny fahavalonao rehetra; misiaka maneso sy mihidy vazana izy ka miteny hoe: Natelinay! Ity tokoa ilay andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Misanasana vava mamely anao ny fahavalonao rehetra; misitrîsitra mikitro-nify, manao hoe: «Nolevonintsika izy! Ity no ilay andro nandrasantsika, tratrantsika izy, hitantsika izy!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misoka-bava hankaloza anao ny fahavalonao rehetra, velon-tsioka sy mihidy vazana izy ary miteny hoe: «Nataontsika levona io! Tonga izao ny andro nandrasantsika; tratrantsika izany ary hitantsika ihany!»
Malagasy Bible 1865
Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitanatana vava aminao ny fahavalonao rehetra; misiaka maneso sy mihidy vazana izy ka miteny hoe: Natelinay! Ity tokoa ilay andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.
malagasy
Misanasana vava aminao ny fahavalonao rehetra; Misitrisitra sy mihidy vazana izy ka manao hoe: Efa nolevoninay! Ity tokoa no andro nandrasanay ka efa azonay sady hitanay.[Heb. natelinay]