Lamentations 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO efa nanatanteraka izay nosaininy ka nahatò ny teniny izay didy nomeny hatramin’ny andro fahagola; nandrava Izy, fa tsy niantra; ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataon’i Iaveh izay nokasainy; notanterahiny ny teniny izay efa nolazainy hatramin’ny andro taloha; nandrava Izy fa tsy niantra, nampifaly ny fahavalo noho ny aminao Izy; nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.
Malagasy Bible 1865
Jehovah efa nanao izay nosaininy ka nahatanteraka ny teniny izay nandidiany hatramin'ny andro fahagola; Nandrava Izy, fa tsy niantra; Ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafilahinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO efa nanatanteraka izay nosaininy ka nahatò ny teniny izay didy nomeny hatramin’ny andro fahagola; nandrava Izy, fa tsy niantra; ary nampifaly ny fahavalo taminao Izy sady nanandratra ny tandroky ny rafinao.
malagasy