Lamentations 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ny alina hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana, aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ny Tompo ny fonao! Asandrato Aminy ny tananao hifona ho an’ny ain’ny zanakao madinika izay reraky ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitsangàna, miantsoantso mandritra ny alina, hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan’ny Tavan’ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an’ny ain’ny zanakao madinika, izay lavo toran’ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitsangàna, miantsoantsoa fitarainana isan’ora fiambenana amin’ny alina. Toy ny rano atosaka no amborahy ny ao am-ponao eo anatrehan’ny Tompo. Asandrato aminy ny tananao hiangavy ho an’ny ain’ireo zanakao madinika izay manary aina noho ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.
Malagasy Bible 1865
Mitsangàna, miantsoantsoa amin'ny alina hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana, Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato aminy ny tananao hifona ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay anan'ny hanoanana eny an-joron-dalambe rehetra eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsangàna, miantsoantsoa amin’ny alina hatramin’ny filatsahan’ny fiambenana, aidino tahaka ny rano eo anatrehan’ny Tompo ny fonao! Asandrato Aminy ny tananao hifona ho an’ny ain’ny zanakao madinika izay reraky ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.
malagasy