Lamentations 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, jereo ka diniho ny olona izay nanaovanao izany. Hihinana ny ateraky ny kibony va ny vehivavy, dia ny zanany madinika izay notezainy am-pitiavana? Hovonoina ao amin’ny fitoerana masina an’ny Tompo va ny mpisorona sy ny mpaminany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iaveh ô, jereo ka diniho: Iza no mbola nataonao toy izao, na oviana na oviana? Endrey! Misy vehivavy mba efa mihinana ny naloaky ny kibony ve? Dia ny zanany madinika izay malalany? Endrey! Mba efa vonoina eo amin’ny fitoerana masin’ny Tompo, na ny mpisorona na ny mpaminany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, jereo ka diniho ity nanaovanao ny vahoakanao! Vehivavy ve no handeha hihinana ny zanany naterany sy nokoloiny? Ny mpisorona sy ny mpaminany ve dia hovonoina eo amin’ny Toeramasinao?
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, jereo ka izahao ny amin'ny olona izay nanaovanao izany. Ny vehivavy va hihinana ny ateraky na kibony, dia ny zanany madinika trotroiny? Hovonoina ao amin'ny fitoera-masin'i Jehovah va ny mpisorona sy ny mpaminany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, jereo ka diniho ny olona izay nanaovanao izany. Hihinana ny ateraky ny kibony va ny vehivavy, dia ny zanany madinika izay notezainy am-pitiavana? Hovonoina ao amin’ny fitoerana masina an’ny Tompo va ny mpisorona sy ny mpaminany?
malagasy