Lamentations 2:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalana ny tanora sy ny antitra; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lavon’ny sabatra; novonoinao tamin’ny andro fahatezeranao izy ireo; eny, naripakao, fa tsy niantranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalambe, ny ankizy sy ny anti-dahy; ny virjiniko aman-jatovoko, lavon’ny sabatra; namono tamin’ny andron’ny fahatezeranao ianao; namono tsy nanana antra ianao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na antitra na tanora dia maty mitsitsitra eny an-dalambe. Ny tovolahiko sy ny tovovaviko dia samy matin’ny sabatra. Novonoinao tamin’ny androm-pahatezeranao izy, naringanao tsy nisy fiantrana.
Malagasy Bible 1865
Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miampatrampatra amin’ny tany eny an-dalana ny tanora sy ny antitra; ny virijiniko sy ny zatovoko dia lavon’ny sabatra; novonoinao tamin’ny andro fahatezeranao izy ireo; eny, naripakao, fa tsy niantranao.
malagasy
Miampatrampatra eny an-dalambe ny tanora sy ny antitra; Ny virijinako sy ny zatovoko dia lavon'ny sabatra, Novonoinao tamin'ny andro fahatezeranao izy, eny, naripakao, fa tsy niantranao.Nantsoinao ny fampangorohoroana manodidina ahy, toy ny amin'ny fotoam-pivavahana, ka dia tsy nisy sisa afa-nandositra tamin'ny andro fahatezeran'i Jehovah; Izay notrotroiko sy notezaiko aza dia lanin'ny fahavaloko.